dimanche 15 février 2009

Ilay andro iray andro malaza ho antsika vehivavy dia ny MARIAZY



Raha miteny aho hoe MARIAZY dia ho liana daholo isika vehivavy satria andro iray toa zato io andro io ka sarobidy sy manandaja eo @ ny fiainana izany ary zavadehibe ho an ny Ray aman-dreny ihany koa , ka inona ary no mahaliana antsika amin izy io , ndao jerena daholo ny fikarakana an izy ity , zavatra goavana izy io ka atao milamina sy mirindra tsara satria manandanja tokoa ary samy te hanantanteraka ny azy aradalana avy , "ny an iza no tsara indrindra ???? "ny akanjony , ny volony, ny maquillage ny, ny kirarony,ny haingon ny fianakaviana ,ny firavaky ny fiara, ny peratra, ny ferapara, ny vatomamy, trano fandraisana, ny sakafo, ary ny zavatra madinidinika manodidina ireo rehetra ireo.


Marina fa samy manana ny fiainanyny tsirairay, ao ny afaka manao kely zay vitan ny ananana , ao ny afaka manatombo kely satria efa nanomana efa ela dia ela ary ao koa ny manana ny ampy na mihoatra ary ka afaka manantanteraka izay tiany atao, nefa kosa ny fananana hevitra mahafinaritra mahitahita dia ananan ny rehetra avokoa ka zay no mba tiako zaraina aminareo sy mba hifampifanakalozantsika eto ka mazotoa daholo fa raisina daholo ny hevitra aroso e .